| Entrée | 1 Ny Varavarankelinao | 
| Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] | 
| Vocabulaire | 3 Littérature: poèmes | 
| Auteur | 4  Razakandraina Jean Verdi Salomon | 
| Texte complet | 5   Mandalo eo matetika aho, dia manjary fahazarako 6 Ny mahita anao mitazana eo am-baravarankely 7 Fotoana fohy fifaliako, fotoana fohy fahasambarako 8 Eo ny endrikao mitsiky, mitsikitsiky toa anjely. 9 Mandalo eo matetika aho dia mitraka hatrany hatrany, 10 Mino fa hahita anao, dia mahita anao tokoa ! 11 Tsy hita intsony ny hafaliako sy hasambarako amin’izany 12 Fa manenika fanahy, mahatototra ny fo… 13 Andray izay fahatairako, nandalo teo aho izao… 14 Nikatona àry fa nahoana, ny varavarankelinao ? 15 Nitanondrika ny fo, ny fanahy nangenahena… 16 Nanohy nandalo ihany aho, tsy nivoha hatramin’izao, 17 Angamba tsy hivoha intsony, ny varavarankelinao. 18 Mitanondrika ny fo, manomboka tsy hanantena. | 
| Mis à jour le 2025/05/06 |   |